Fa Izaho mahalala ny hevitra iheverako anareo, hoy Jehovah, dia hevitra hahatonga fiadanana, fa tsy loza, mba hanome anareo fanantenana ny amin’ny farany.
Ny fitiavana mahari-po sady mora fanahy; ny fitiavana tsy mialona, tsy mirehareha, tsy mieboebo
Ato am-poko no iraketako ny teninao, Mba tsy hanotako aminao.
Fa ny fanahy ana dia hampisotroiko, Ary ny fanahy mihaosa rehetra dia hovokisako.
ka ho fantatrareo ny marina, ary ny marina hahafaka anareo tsy ho andevo.
Tandremo ny fonao mihoatra noho izay rehetra tokony hotandremana; Fa avy ao aminy no ihavian’ ny aina.
Eny, na dia mandeha mamaky ny lohasaha aloky ny fahafatesana aza aho, Dia tsy hatahotra ny loza aho; Fa Hianao no amiko; Ny tsorakazonao sy ny tehinao, ireo no mahafa-tahotra ahy.
Ary aza mba ketraka amin’ny fanaovan-tsoa isika; fa amin’ny fotoan’andro no hijinjantsika, raha tsy reraka isika.
Tomoera amiko ary Izaho aminareo. Tahaka ny sampany tsy mahay mamoa ho azy, raha tsy miray amin’ny voaloboka izy, dia toy izany koa hianareo, raha tsy miray amiko. Izaho no voaloboka, hianareo no samp
Koa amin’izany na zovy na zovy no mandre izany teniko izany ka mankatò azy, dia hoharina amin’ny lehilahy manan-tsaina izy, izay nanorina ny tranony teo ambonin’ny vatolampy.
Tsara Jehovah, fiarovana mafy amin’ny andro fahoriana, Ka mahalala izay mialoka aminy.
Koa izay mahalala hanao soa, nefa tsy manao, dia heloka ho azy izany.
Fa Andriamanitra tsy naniraka ny Zanaka ho amin’izao tontolo izao hanameloka izao tontolo izao, fa mba hamonjeny izao tontolo izao.
Izy no ananantsika fanavotana amin’ny rany, dia ny famelana ny fahadisoantsika, araka ny haren’ny fahasoavany
Anaka, hianareo dia avy amin’Andriamanitra ary efa naharesy ireny, satria lehibe Izay ao aminareo noho izay ao amin’izao tontolo izao.
Anao, TOMPO ô, ny halehibiazana sy hery; Anao ny voninahitra sy hamirapiratana ary fiandrianana; satria Anao ny zava-drehetra any an-danitra sy etỳ an-tany! Ianao, TOMPO ô, no mpanjaka; Ianao no asand
Salamo nataon’i Davida. JEHOVAH no Mpiandry ahy, Tsy hanan-java-mahory aho, Mampandry ahy amin’ny ahi-maitso Izy; Mitondra ahy eo amoron’ny rano fialan-tsasatra Izy.
Ary izao no fahasahiana ananantsika eo anatrehany: Raha mangataka zavatra araka ny sitrapony isika, dia mihaino antsika Izy
Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin’ny tsi-fahamarinana rehetra.
Ary amin’izany dia aza manahy ny amin’ny ampitso hianareo; fa ny ampitso hanahy ny azy. Ampy ho an’ny andro ny ratsy miseho ao aminy.